AMBONDRONA – Vaditany tratra nangalatra jiro

Mitohy hatrany ny fitsirihana ireo halatra herinaratra eto Andrenivohitra sy any amin’ny faritra.
Tranon’ny Vaditany (Huissier de justice) iray eny Ambondrona no tra-tehaky ny JIRAMA nisintona herinaratra tsy mandalo kaontera.

Notapahana avy hatrany ny jiro tao amin’ilay trano ary ampanantsoina eny amin’ny JIRAMA ny tompon-trano ny Talata ho avy izao hanonitra ny saran’ny herinaratra nangalariny.

Laisser un commentaire

Your email address will not be published.