Ankazotokana: fantson-drano lehibe vaky

Fantsona lehibe iray manodidina an’Ankazotokana no vaky ka hiato arak’izany ny famatsiana rano amin’ny toerana maro eto Andrenivohitra mandritra ny fanamboarana.

Vaky io maraina io ny fantsona lehibe iray ka voatery ahato ny toby fampiakaran-drano « Rue Guillet » Ankazotokana, hahafahana manao ny fanarenana.Tapaka noho izany ny famatsiana rano amin’ireto toerana ireto:

Ambohimitsimbina- Ambohipotsy-Andohamandry-Amparihy-Ankaditapaka-Ankadinandriana-Ambavahadimitafo-Andohalo-Antsahatsiroa-Rova Manjakamiadana-Ambaninampahamarinana-Andoharano Ankadilalana-Ambatovinaky-Ambohidahy Amparibe-Faravohitra Ambony-Faravohitra Mandrosoa-Ampandrana Ankadivato-Mahamasina Tsimialonjafy-Manakambahiny-Ankazotokana Ambanidia-Antsahabe Ankorahotra-Ambohijatovo-Ampasamadinika Amboasarikely-Analakely-FIATA-Cite Gare-Antanimena Behoririka-Ambatonakanga-Antaninarenina Ambohitsorohitra.
Efa eny an-toerana manao ny asa fanarenana ny ekipa teknikan’ny JIRAMA ka vinavinaina ho vita any amin’ny 7 ora hariva ny asa. Aorian’izany dia hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano amin’ireo toerana ireo.

Laisser un commentaire

Your email address will not be published.