Asa fanamboarana fahavakisana fantsona eny Nanisana

Telo andro sy telo alina izao ireo tekinisianin’ny JIRAMA no manao ny ainy tsy ho zavatra mamaha ny fuite amin’ny fantsona etsy Nanisana. Raha efa nanomboka niverina fanintelony ny rano alina dia voatery notapahana indray izany noho ny olana teknika isan-karazany izay mampanano-sarotra ny asa. Tsapan’ny JIRAMA ny olana sedrain’ireo mpanjifany koa mamerina hatrany ny fialantsiny noho izany.