Nitohy teny Ampasapito ny fifehezana ny tambazotra mpitsinjara rano androany. Tanjona ny tsy hisian’ny fahaverezan-drano be loatra.

Manohy hatrany ny famahana ny olan’ny famatsian-drano eto Andrenivohitra ny JIRAMA, amin’ny alalan’ny fifehezana ny fahaverezan-drano be loatra. Taorian’Ambohijatovo, Behoririka, Ankorondrano ary Ambodivona dia teny Ampasapito indray no nanatanterahina izany, androany 18 Jona 2020. Toerana maro to an’Andravoahangy Tsena – Ambodivona – Akorondrano Atsinanana – Befelatanana – Ankadifotsy – Mandialaza – Ambatomitsangana – Ankaditapaka Avaratra – Antanimena – Anjanahary – Ambatomainty – Nanisana Iadiambola no voakasik’ity fifehezana tambazotra ity.
Tanjona amin’ny fanatanterahana izao asa goavana izao ny hahatongavana amin’ny fizarazaràna ny tambazotra mpamatsy rano hahafahana mifehy ny famatsiana.