Fametrahana tranon-jiro vaovao

Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa PAGOSE, izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola dia maro ireo asa fanatsarana ny fitsinjarana herinaratra tanterahana.

Isan’ny tetikasa PAGOSE ny fametrahana « transformateur »

Isan’izany ny fametrahana tranon-jiro vaovao amin’ny faritra maro toy ny eny Andrefan’Antananarivo izay rahampitso Alahady 9 febroary no hametrahana izany.

Noho izany asa izany dia ho tapaka ny herinaratra eny Ambodihady Ambohimanarina, Ambodimita, Ivato firaisana ary Mandrosoa, eo anelanelan’ny amin’ny 11 ora antoandro ka hatramin’ny 02 ora folakandro.

Ny Alatsinainy 10 febroary, amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 03 ora folakandro kosa no ho tapaka ny herinaratra eny Antoby Ivato, noho izany asa izany.