Fanamboarana : Tranon-jiro Ambohijatovo

Noho ny tsy fahampian’ny tanjaky ny herinaratra ao amin’ny tranon-jiro Ambohijatovo dia tapaka ny herinaratra eny : Analakely – Ambondrona – Ambohijatovo – Antaninarenina – Tsaralalana – Ambohitsorohitra – Ambohidahy – Ambatonakanga – Amparibe – Andohalo – Manjakamiadana – Ambohimitsimbina – Tsimbazaza – Marohoho – Besarety – Rasalama – Antaninandro – Antsahabe – Ankadivato – Bel air – Ampahibe sy ny manodidina azy ireo akaiky.

Efa am-perinasa manarina ny fahavoazana ny JIRAMA ka rehefa vita izany dia hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin’ireo toerana ireo.