Fitaovana manara-penitra entina hanatanterahana ireo fampidiran-jiro – Des équipements professionnels pour la réalisation des branchements

Anatin’ny fanatanterahana ireo fangatahana fampidiran-jiro vary mangatsiaka ny JIRAMA, taorian’ny fahatongavan’ireo kaontera an’arivony ao Ambohimanambola. Ny fanatanterahana izany anefa dia mitaky fampiasana fitaovana matihanina sy manara-penitra. Izany indrindra no nahatonga ny JIRAMA nanafatra « kits branchements » avy any Frantsa, izay ahitàna karazana fitaovana miisa fito, ireo teknisiany hanatanteraka ny asa. Natolotra azy ireo, androany, teny Soanierana izany fitaovana izany, izay ahitàna : E.P.I- Tournevis – Pince coupante- Marteau- Testeur courant – Consignation de disjoncteur- Isolants électriques Zava-dehibe ny fanomezana ireto fitaovana ireto, hoy kosa ireo mpiasa. Hiasa tsy amin-tahotra izy ireo satria efa manana fitaovana manara-penitra hiaro azy mandritra ny fanatanterahana ny asany. Latsaky ny 3 000 eo ireo fampidiran-jiro vary mangatsiaka tanterahin’ny JIRAMA amin’izao fotoana izao.

La JIRAMA est à pied d’œuvre dans la réalisation des branchements en souffrance, suite à l’arrivée des milliers de compteurs à Ambohimanambola. Les interventions nécessitent, toutefois l’utilisation des outils performants et suivant les normes. C’est la raison pour laquelle, la JIRAMA a importé de France des kits branchements, contenant sept outils. La remise officielle des équipements à ses techniciens s’est tenue, ce jour, à Soanierana. Les kits comprennent : E.P.I- Tournevis – Pince coupante- Marteau- Testeur courant – Consignation de disjoncteur- Isolants électriques Aux bénéficiaires de mentionner l’importance de ces équipements professionnels qui leur permettront de travailler en toute sécurité. Il reste moins de 3000 branchements en souffrance à réaliser par la JIRAMA.