Fitokanana Kianja Barea Mahamasina: Tokantrano fito hisitraka saram-panjifana jiro sy rano mitentina Iray tapitrisa Ariary – Inauguration du stade Barea Mahamasina: Un chèque cadeau de factures d’un montant d’un million d’Ariary pour sept ménages

Antananarivo faha 21 septambra,

Isan’ireo mpanohana ny lalao fisarihana notanterahan’ny Fiadidiana ny Repoblika, nandritra ny fitokanana ny kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 04 septambra teo ny JIRAMA.

Tokantrano  miisa fito no voatondro tamin’ny alalan’ny « drone » nandritra ny fisarihana. Natolotra azy ireo, ny Talata 21 septambra teo , teny amin’ny biraon’ny JIRAMA Antanimena ny saram-panjifana jiro sy rano mitentina 1 tapitrisa ariary izay sitrahan’izy ireo mandritra ny heritaona, manomboka ny volana oktobra izao.

Marihana fa ny iray tamin’ireo tsara vintana ireo dia mbola tsy misitraka herinaratra ka « kits branchements Mora », miaraka amin’ny fandaniana 10kWh isam-bolana no natolotry ny JIRAMA azy.

Samy naneho ny hafaliany sy ny fisaorana ny Filohan’ny Repoblika sy ny JIRAMA ireto tokantrano ireto noho izao fanampiana azy ireo izao.


Antananarivo le 21 septembre,

La JIRAMA a été partenaire du tirage au sort, initié par la Présidence de la République lors de l’inauguration du stade Barea Mahamasina le 04 septembre dernier.

Sept ménages ont été sélectionnés par un drone. Chacun bénéficie d’un chèque cadeau de factures JIRAMA, d’un montant d’un million d’Ariary, valable pendant un an, à compter de ce mois d’octobre.

Pour l’une des bénéficiaires dont le ménage n’est pas encore connecté au réseau de la JIRAMA, un kit branchement Mora lui a été attribué avec une consommation gratuite de 10 kWh par mois.

Chacun a fait part de sa gratitude envers le Président de la République et à la JIRAMA pour leur appui.