FOULPOINTE : MISITRAKA HAZAVANA AN-DALAM-BE – FOULPOINTE : BÉNÉFICIE DES ÉCLAIRAGES PUBLICS

Tsy diso anjara amin’ny fisitrahana hazavana an-dalam-be i Foulpointe. Ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Christian Ramarolahy no nitarika ny delegasiona nanolotra ireo jiro LED COBRA miisa 20 tany an-toerana, ny Sabotsy lasa teo. Maherin’ny efapolo ireo tanan-dehibe efa misitraka izany ankehitriny. Tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovantena, ho fanazavàna sy fanomezana endrika ny tanàna ary ady amin’ny tsy fandriampahalemana, izany.

Foulpointe n’est pas oubliée pour les installations des éclairages publics. Christian Ramarolahy, Ministre de l’Energie et des Hydrocarbures a conduit la délégation qui y a remis les 20 lampes LED COBRA, samedi dernier. Une quarantaine de grandes villes sont désormais illuminées. L’action entre dans le cadre de la célébration de la 60ème anniversaire de l’indépendance, éclairages, embellissement de la ville et lutte contre l’insécurité.