Hamehana ara-pahasalamana : miasa andro aman’alina ny JIRAMA

Manohy tsy ankiato ny asa famatsiana herinaratra sy rano ho an’ny mponina ny orinasa JIRAMA araka ny didim-panjakana noraisina noho ny fahamehana ara-pahasalamana.

Isan’ireo sampan-draharaham-panjakana antsoina miasa noho ny filana ny orinasa JIRAMA, mandritra ny fanatanterahana izao drafitra ara-tsosialy ho an’ny fahamehana ara-pahasalamana izao.
Laharam-pahamehan’ny orinasa ny fanatsarana ny famatsiana herinaratra, toy izay natao teny Antsofinondry androany 17 aprily.
Nampitomboina arak’izany ny Isan’ireo ekipa manao ny « dépannage » izay miasa 7/7andro, 24/24ora.
Mbola maro ihany koa ireo asa ao anaty fandaharam-potoana toy ny fanamafisana ny fitsinjarano rano amin’ireo faritra misedra olana amin’ny famatsiana.

Laisser un commentaire

Your email address will not be published.