HAMPIAKARINA NY TANJAKY NY HERINARATRA ETO AMIN’NY TAMBAZOTRA IRAISAN’ANTANANARIVO – LA PUISSANCE ÉLECTRIQUE DU RÉSEAU INTERCONNECTÉ D’ANTANANARIVO RENFORCÉE

Noraisin’ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA Vonjy Andriamanga, omaly Alahady 13 Septambra 2020, tao Ambohimanambola ny « Transformateur » lehibe indrindra eto Madagasikara, manana tanjaka 60 MVA. Hampiakarana ny tanjaky ny herinaratra eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo sady hanomanana sahady ny fanitarana ny tobim-pamokarana herinaratra ao Andekaleka io fitaovana io. Fiaraha-miasan’ny JIRAMA sy ny Banky Iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny tetikasa PAGOSE ny fahazoana izao fitaovana izao. Andrasana amin’ny herinandro ho avy izao ny « Transformateur » faharoa, manana tanjaka 60 MVA ihany koa. Manasa anao hanaraka ny horonantsary.

Vonjy Andriamanga, Directeur Général de la JIRAMA a reçu, hier, Dimanche 13 Septembre 2020, à Ambohimanambola, le plus grand Transformateur à Madagascar, doté d’une puissance de 60 MVA. Ce générateur permettra d’augmenter la puissance électrique du Réseau Interconnecté d’Antananarivo et prépare déjà l’extension de la centrale hydroélectrique d’Andekaleka. L’acquisition de ce Transformateur relève de la collaboration entre la JIRAMA et Banque Mondiale à travers le projet PAGOSE. Le deuxième génération de la même puissance est attendue la semaine prochaine. Vous êtes invités à suivre ce reportage.