Hazavàna ho an’i Tsihombe – De la lumière pour Tsihombe

Tsy diso anjara amin’ireo renivohim-paritany 43 manerana ny Nosy hisitraka hazavàna an-dalam-be i TSIHOMBE. Ny Alatsinainy teo no tonga tany an-toerana ny jiro LED COBRA araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina. Fanazavàna sy fanomezana endrika ny tanàna ary ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana no tanjona. Hohatsaraina ihany koa ny famatsiana herinaratra ao an-tananan’i TSIHOMBE izay niaina tao anaty tsy fahampian’ny herinaratra nandritra ny volana maro. Noraisin’ny manam-pahefana any an-toerana, ny Alatsinainy teo ihany koa ireo vondrom-pihary herinaratra miisa roa, manana tanjaka 220 KVA na 175 KW ary 165 KVA na 132 KW hanampy tosika ny famokarana herinaratra. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no hanolotra izany amin’ny fomba Ofisialy ny vahoakan’i TSIHOMBE araka ny Velirano Faharoa nataony dia ny fisitrahana herinaratra ho an’ny rehetra.

TSIHOMBE n’est pas écartée des 43 villes du pays qui bénéficient de l’installation des éclairages publics. Les lampes LED COBRA, promises par le Président de la République y sont arrivées lundi dernier. Éclairages, embellissement de la ville et lutte contre l’insécurité en sont les objectifs. L’alimentation en électricité à TSIHOMBE qui a vécu dans le délestage pendant plusieurs mois sera également améliorée. Les autorités locales ont reçu lundi les deux groupes électrogènes, d’une puissance de 220 KVA ou 175 KW et 165 KVA ou 132 KW qui vont renforcer la production d’électricité dans cette localité. Andry Rajoelina, Président de la République en fera la remise officielle aux habitants de TSIHOMBE selon son Velirano n°02 qu’est de donner à tous l’accès à l’électricité.