Azo antoka ny Rano vatsian’ny Jirama

Manoloana ny vaovao miely amin’ny tambazotran-tserasera Facebook, ny JIRAMA dia manamafy fa tsy misy fiovana ny rano izay mivoaka ny toeram-pamokaran-dranon’ny JIRAMA makany amin’ny mpanjifa ary rano fisotro madio mandalo ambaratongam-panadiovana sy fitiliana maromaro manaraka fenitra rehetra iraisam-pirenena takian’izany.

Ny JIRAMA dia manamafy fa manao fitsirihana isan’andro ny kalitaon’ny rano omena ny mpanjifa ary miara-miasa amin’ireo sehatra matihanina amin’izany toy ny Institut Pasteur de Madagascar izahay.

Iangaviana ny mpanjifa mba hampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra na eto amin’ny pejy Jirama officiel na manantona avy hatrany ny masoivohon’ny JIRAMA akaiky azy indrindra, na mandefa mailaka amin’ny communication@jirama.mg.