Mitohy hatrany ny fanomezana hazavana ny tananan’Antananarivo.
Taorian’ny tohatohabaton’Antaninarenina dia ny etsy Ambondrona indray no nametrahana andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, omaly alina. Izao tetikasa izao dia fiaraha-miasan’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny JIRAMA, izay manatanteraka ny asa.
