Tafatafa nifanaovana tamin-dRavelomanantsoa Nirina, vehivavy tokana eto Madagasikara miandraikitra tobim-pamokarana herinaratry ny JIRAMA.
« Tsy ny lehilahy ihany no afaka mitàna andraikitra saro-pady. Mahavita azy ihany koa ny vehivavy », hoy Ravelomanantsoa Nirina, vehivavy tokana miandraikitra tobim-pamokarana herinaratry ny JIRAMA eto Madagasikara.
Ny taona 2008 no tafiditra tao amin’ny JIRAMA Fianarantsoa ity renim-pianakaviana ity, taorian’ny nahafahany fanadinana fifaninana. « Chef de Quart I » no andraikitra nosahaniny, izany hoe mandrindra ny fitsinjarana herinaratra amin’ireo tambazotra iraisana (Réseau Interconnecté) ao an-toerana.
Tsy mampanano-sarotra azy anefa izany noho izy havanana amin’ny sehatra « électrotechnique », nivoaka tao amin’ny Saint-François Xavier Ambatomena ny taona 1996. Rehefa main-tany vao mahatsapa fahasarotana amin’ny asany ity teknisian’ny JIRAMA Fianarantsoa ity satria tsy maintsy sahanina ny fahatapatapahan-jiro sy rano, nohon’ny fihenan’ny reniranon’i Namorona.
Mavitrika sy sahy ravehivavy. Noporofoiny izany tamin’ny fandraisany anjara tamin’ny fifaninana anatiny ihazonana ny toeran’ny « Chef de Quart II » ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratr’i Fianarantsoa, ny taona 2012, ary tonga amin’izany toerana izany izy.
Reny, miasa andro sy alina
Izy izany no miandraikitra ny fibaikona ireo milina mpamokatra herinaratra ao Fianarantsoa ary mandray ny fanapahan-kevitra amin’ny fotoana ilàna izany, ohatra, tsy maintsy manapaka herinaratra.
42 taona ny vehivavy. Maty vady izy ary manan-janaka roa lahy, izay 17 sy 14 taona. Na eo aza ny asa mankadiry sahaniny dia tsy ataony ambanin-javatra ireo zanany. Hain’i Nirina hatrany ny mandamina ny fiainan-tokantranony :
« Isaky ny efatra andro aho no miasa alina ary efa zatra izany ny zanako, manohana ahy izy ireo amin’izany andraikitra sahaniko izany. Mialoha ny hamonjeko ny toeram-piasana dia efa tsara petrapetraka avokoa ny ao an-trano hovantanin’izy roa lahy », hoy ny fitantarany.
Mirehareha ny fananany reny « miavaka amin’ny reny rehetra » ny zanak’i Ravelomanantsoa Nirina. Miavaka tokoa amin’ny maha teknisiana azy ny fanamiana anaovany any amin’ny toeram-piasana izay itovizany amin’ireo lehilahy rehetra mitàna tobim-pamokarana herinaratry ny JIRAMA (combinaison, chaussures + casque de travail).
Mamporisika ny vehivavy Malagasy rehetra ity teknisian’ny JIRAMA ity, indrindra ny tanora hanana fahasahiana hiditra amin’ny sehatra teknika. Izy rahateo mahatsapa fa manana fahaiza-manao ny vehivavy raha eo amin’ny lafiny teknika, saingy mbola vitsy ny mpampiasa mametraka azy ireo amin’izany toerana izany.