Toamasina: ampiakarina ny tanjaky ny herinaratra

Ho ampitomboina ny tanjaky ny herinaratra amin’ny faritra maro ao Toamasina ka ho tapaka ny famatsiana mandritra ny fanatanterahana ny asa.

Ireo teknisian’ny JIRAMA eo am-panatanterahana ny asany

Manatsara hatrany ny tolotra omeny ny mpanjifany ny JIRAMA Toamasina. Hiroso amin’ny fampiakarana ny tanjaky ny tambazotra mitondra herinaratra mavesatra izy ireo ny 28 sy 29 aprily izao. Asa izay hiteraka fiatoan’ny famatsiana herinaratra amin’ireto toerana vitsivitsy ireto, eo anelanelan’ny amin’ny 08 : 00 maraina ka hatramin’ny 04:00 folakandro:

Talata 28 aprily (8:00 – 04:00) = Mangarano – Cité Haras – Mangarivotra – Ampilaolava – Analamalotra – Ivoloina.

Alarobia 29 aprily (9:00 – 04:00) = Jardin botanique – Tsarakofafa – Tanambao Verrerie.
Ny JIRAMA dia maneho ny fialan-tsiny amin’ny fanelingelenana mety aterak’izany.

Laisser un commentaire

Your email address will not be published.