Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, omaly 07 martsa 2020 ny siniben-dranon’ny JIRAMA Andranomena Toliara. Ny Tale Jeneraly lefitra Dr Albert Ravelojaona kosa no nitarika ny fianakaviam-ben’ny JIRAMA tamin’izao lanonana izao
Manatsara ny kalitao sy mampitombo ny vokatra tsinjaraina ho an’ny vahoakan’i Toliara ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao.
Famatsiam-bola, mitentina 1 240 000 USD avy amin’ny tetikasa PIC2 no nahafahana nanatanteraka ity fotodrafitrasa ity.