UN JOUR, UNE VILLE: Nianga Androany teto Antananarivo ny caravane de la lumière – La caravane de la lumière part d’Antananarivo ce jour

Niainga androany, talata 08 desambra 2020, tao amin’ny JIRAMA Ambohimanambola, Antananarivo ireo fiarabe hanao ny « caravanes de la lumière » hitondra ireo hazavàna LED COBRAS hapetaka manerana ireo renivohitry ny distrika mbola tsy nisitraka izany. Hatolotra ny manam-pahefana any an-toerana izany ary aorian’ny lanonana fohy dia hiroso amin’ny fametahana avy hatrany ny JIRAMA « Hazavàna ho an’ny rehetra » no tanjona araka ny Velirano nataon’ny Filoham-pirenena ka hisitraka izany avokoa ireo renivohitry ny Distrika rehetra manerana ny Nosy hatramin’ny faran’ny taona 2020. Renivohim-paritany 50 no hisitraka hazavàna an-dalam-be, izay fiaraha-miasan’ny JIRAMA sy ny Ministeran’ny Angovo ary ny Akoranafo. Tanjona ny hanomezana endrika ny tanàna ary koa hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.

La caravane de la lumière, qui va apporter les équipements d’éclairages publics LED COBRAS à installer dans les chefs-lieux de district, a quitté Ambohimanambola, Antananarivo, ce jour. Ces équipements lumineux seront remis aux autorités et après la courte cérémonie, la JIRAMA va tout de suite procéder aux installations. »Électricité pour Tous » est la vision comme stipule le Velirano du Président de la République. Tous les chefs-lieux de district seront ainsi équipés d’éclairages publics. 50 grandes villes seront dotées d’éclairages publics, fruits de la collaboration entre la JIRAMA et le ministère de l’Énergie et des Hydrocarbures. L’objectif est d’embellir l’image de ces grandes villes et surtout de renforcer la lutte contre l’insécurité.