Vanim-potoanan’ny faharitan’ny rano : ampitomboina ny « Citernes » amin’ireo faritra sahiran’ny famatsian-drano – Période d’étiage: renforcement des citernes dans quartiers à problème d’approvisionnement en eau

Taorian’ny fidinana ifotony teny amin’ireo kaominina tena sahirana amin’ny fahazoana rano, ny herinandro lasa teo, dia niroso tamin’ny fametrahana ireo « citernes » fanampiny ny JIRAMA. Teny AMBOHIDRAPETO no nanombohana izany ka « citernes » roa no napetraka teny an-toerana hanampy ireo efa am-perinasaHitohy eny ANKADIMANGA sy FIHOMBONANA ny fametrahana « citernes » hahafahana mamatsy rano ny mponina amin’izao vanim-potoanan’ny faharitan’ny rano izaoMarihina fa « citernes » 96 amin’ireo 105 napetraka manerana ireo faritra misedra olana amin’ny famatsian-drano eto Antananarivo no efa mamatsy rano ny mponina. Vahaolana vonjimaika ihany izao fa efa an-dalana ny fanaovana fotodrafitrasa hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto ANTANANARIVO toy ny fanitarana ny tobim-pamokaran-drano ao MANDROSEZA sy ny fametrahana « Unité de Traitement Conteneurisée » amin’ny toerana valo manodidina an’ANTANANARIVO.

Suite aux dialogues communautaires de la semaine dernière, la JIRAMA a entamé, ce jour, l’installation des citernes dans les quartiers en difficulté d’approvisionnement en eau. Cela a débuté à AMBOHIDRAPETO avec deux citernes supplémentaires qui vont renforcer celles déjà opérationnelles. L’installation des citernes va se poursuivre à ANKADIMANGA et à FIHOMBONANA afin d’assurer le ravitaillement en eau de la population en cette période d’étiage Il est à noter que 96 citernes sur les 105 installées dans les zones à problèmes d’eau à ANTANANARIVO, sont opérationnels. Celles-ci ne constituent qu’une solution d’urgence. La construction d’infrastructures pour résoudre le problème d’alimentation en eau à ANTANANARIVO est en cours, notamment, l’extension de la station de MANDROSEZA et la mise en place des Unités de Traitement Conteneurisées dans huit localités environnantes d’ANTANANARIVO.