Facture estimée

Fa maninona moa no misy vola aloa nefa tsy miova ny index ato anaty facture, izahay tsy teo akory tamin'io fotoana io ?

Tsy voaray ny tarehimarika tao amin'ny kaontera satria nihidy ny tranonareo ka nasianay tomban'ny fandaniana (consommation estimée), mba tsy hitambaran'ny laninareo ka hampavesatra ny faktiora manaraka.

Avy aiza no nakanareo io tomban'ny fandaniana io? Dia nahoana no tsy niova ny mariky ny fandaniana (index) farany ato anaty faktiora?

Nokajiana avy tamin'ny fitambaran'ny fandaniana nandritra ny telo volana farany ary nozaraina telo. Ny fandanianareo no novinavinainay fa tsy ny tarehimarika ao amin'ny kontera izay tsy azo ovaina.

Dia ahoana izany rehefa voarainareo ny mariky ny fandaniana ao amin'ny kaontera?

Ampifanalana amin'ny fandaniana manaraka io tomban'ny fandaniana io, mandrapaha-tratra ny tarehimarika voaloa mialoha.

Facture erronée / Hausse de consommation

Ny vola hefainay manodidina ny XXX Ariary isam-bolana, nahoana ity no miakatra be toy izao?

- Nitondra livret d'abonné ve?
- Firy izao ny tarehimarika ao amin'ny kaontera?
- Raha misy olona azo antsoina hijery ny tarehimarika ao amin'ny kaontera any an-trano dia mba antsoina ahalalantsika ny mariky ny fandanianareo!
- Aleo ary ampitoviana ny ao amin'ny kaontera sy ny ato anaty facture.

* Raha mitovy ny ao anaty livret d'abonné sy ny ao anaty faktiora dia hazavaina fa io ny faktiora fa tsy miova --> Hausse de consommation
* Raha diso ny index dia ahitsy ny faktiora, ary ampitondraina ny releveur rehefa vita ka apetrany eo amin'ny faktiora ny daty nanaterany sy ny daty fara-fandoavana ny faktiora voahitsy --> Facture erronée

Dia ahoana ilay fe-potoana amin'ity faktiora diso ho ahitsinareo ity? Sao dia tapahinareo ny jironay sy ranonay?

Tsy manankery intsony io fe-potoana io satria efa tazoninay ny faktiora. Rehefa manatitra ny faktiora voahitsy ny releveur dia hipetaka ao ny fe-potoanaa vaovao hanefanao ny faktiora.
Date de réception : date de repassage du releveur
Délai de paiement : 10 jours après reception facture.

Compteur bloqué

Hitanay fa toa tsy mihetsika mihitsy ny tarehimarika eo amin'ny kaonteranay nefa izahay mampiasa jiro, manahy izahay sao hatambatrareo ny fandaniana ka tsy ho voaloa? Angaha tsy azo soloina izy io?

- Ampidirina "process" ny fitarainan'ny mpanjifa
- Hazavaina aminy fa hisy mpiasan'ny Jirama hanamarina izany any an-tokantranony
- Rehefa mivaly ny fitsirihana dia manao "process" fanoloana kaontera amin'izay
- Mandra-pahatongan'ny kaonteranao anefa dia anao taratasy fifanarahana "convetion moyenne" isika mba hahafana manao tomban'ny fandaniana ho anao

Fa inona moa izany tomban'ny fandaniana izany?

Kajy mifanahantsahana amin'ny fandanianareo isam-bolana, izany hoe fanazavana miainga avy amin'ny hita ao anaty relevé.

Etalonnage compteur

Toa mihodina be io konteranay io, nefa izahay tsy mampiasa na inona na inona akory?

Misy olon-kafa mitambatra jiro aminareo ve?
1) samia manamarina ny "installation" ao aminareo sao misy tarobia miboridana ka manary herinaratra; tsy misy valaka amin'ny rano vaky io fa tsy hita maso fotsiny; nefa voakajin'ny kaontera!
2) esory avokoa ny prise rehetra ary aza asiana jiro mirehitra hahafahana mijery na mbola mihodina na tsia ny kaontera
3) vonoy ny disjoncteur, ka raha mbola mihodina ny kaontera dia tsara raha miverina eto amin'ny masoivoho mangataka ny hanatanterahana fitsirihana manokana ianao. 24.360 Ariary ny saran'izany isaky ny kaontera

Ahoana no atao raha mbola mihodina ny kaontera rehefa novonoina ny disjoncteur?

Manao fangatahana ny hanaovana "étalonnage" ka 24.360 Ariary isaky ny kaontera ny saran'izany.

Maharitra hafiriana ny fanatanterahana an'io fitsirihana io raha hiroso amin'izany izahay? Manahy mantsy izahay sao hotapahanareo ny jironay!

Esorina ny kaontera ka entina any amin'ny laboratoara JIRAMA. Raha misy tsy fahatomombanana (anomalies) dia lazain'ny teknisiana aminareo ary soniavinareo izany rehefa afa-po ianareo.
Tsy maintsy ahitsy ny faktioranareo raha toa ka misy ny tsy fahatomombanana eo amin'ny kaontera ary tsy misy fanapahana atao amin'izany.
Raha tsy misy kosa ny fahasimbana dia averina apetraka ny kaontera ary tsy maintsy hefaina ny faktiora.

* Ny Chargé clientèle no maka ny rendez-vous any amin'ny service technique
* Raha misy "avance" ny compteur dia soloina fa tsy averina any amin'ny mpanjifa. (process sans frais)

Jiro tapaka, Kaontera tsy mbola noesorina anefa ny faktiora voaray foana

Efa tapaka elaela ny jironay nefa toa mahazo faktiora foana izahay?

Rariny izany satria mbola ao aminareo ny kaontera izay hofainareo isam-bolana. Entanina ianareo hanefa haingana izay vola tsy mbola voaloa mba hisorohana ny fanesoran'ny JIRAMA ny kaontera ao an-tokantranonareo

Faktiora tsy voaray anefa ny fampidiran-jiro efa ela no vita.

Efa ela no tafiditra ny jironay nefa tsy mbola mahazo faktiora izahay hatramin'izao?

Ampidirina process ny fitarainana, atao mazava tsara ny repère, omena laharana finday : "Hisy tomponandraikitra hidina any aminao hanamarina ny mombamomban'ny kaonteranao. Aorian'izany dia hanomboka hahazo faktiora ianao".

N.B: Aorian'ny "constatation" ataon'ny Service Technique Electricité (STE) na Service Technique Eau (STO) dia alefany any amin'ny Commercial izay manao ny Prise en charge (PEC) ny Ordre d'exécution misy ny laharan'ny kaontera sy ny référence client mba ho validé-na dia mivoaka ny faktiora.

Faktiora tsy miova kanefa ny kaontera efa voasolo (tohin'ny kaontera bloqué / grillé / …)

Nahoana no efa voasolo ilay kaonteranay simba nefa mbola hofana kaontera foana no efainay aty?

Anontaniana ny mpanjifa ny mariky ny fandaniana any @ kaonterany. Raha tsy mitondra io mariky ny fandaniana io izy dia asaina maka tarehimarika na livret d'abonné.
Rehefa voaray izany dia asaina mandeha izy ary lazaina fa amin'ny volana manaraka dia aterin'ny releveur any an-tokantranony ny faktiora

N.B: Amin'izay fotoana izay dia miantso mivantana na manantona ny Service Facturation na Service Technique Electricité (STE) na Service Technique Eau (STO) ny Chargé de Clientèle manontany ny antony mbola tsy mampivoaka ny faktiora.

Fangataham-panazavana mahakasika ny ``TARIF``

Misy lazam-bidy (tarif) moramora ve fa toa mavesatra aminay ity 2è tranche ity?

Ireto ny sokajina lazam-bidy afaka hisafidiananao :
- Ho an'ny tokan-trano (usage domestique) dia lazam-bidy 14 na 16 na 18 ho an'ny jiro fa ny rano kosa Tarif 50 ihany.
- Raha ampiasaina ankoatran'ny ao an-tokantrano dia Tarifa 15 na 22 na 32 ny rano kosa dia Tarifa 52 na T55. Amin'izany dia aseho ny mpanjifa ny "brochure" misy ny fanazavana ny tranche-n'ny consommation par tarif. N.B: Tsy misy sarany ny fanovana lazam-bidy. Raha hampidina na hampiakatra tanjaka (amperage) kosa dia misy sarany 6.600Ariary.

Fangatahana ``dépannage`` / Fitarainana (réclamation)

Personnel:
- Efa tsy nandeha hatry ny alina ny jironay
- Simba ny kaonteranay

Hanokafana "dossier":
- Anontaniana raha nitondra faktiora na manana référence client ilay mpanjifa, raha tsy izany dia manao fikarohana ny Chargé de clientèle
- Angatahana ny anaran'ny mpanao fitarainana sy ny laharan-taroabiany
- Angatahana ny "repère précis"
- Lazalazaina ny momba ny fitarainana (daty sy oran'ny fahatapahana - antony mazava raha misy, ...)
- Rehefa vita ny fampidirana ireo ao anaty MATSELAKA dia omena ny mpanjifa ny laharana dossier
- Raha sanatria ka tsy mivaly ao anatin'ny 48 ora ny fitarainana dia asaina miantso ny laharana maitso ny mpanjifa ary manonona ny laharan'ny dossier

N.B: En cas d'urgence (trano nirodana na may, ...) dia tonga dia mampandre avy hatrany ny Service Technique ny Chargé de clientèle

Public:
- Vaky ny rano eo amin'ny lalana mankany aminay
- Lo ny andrin-jiro eo aminay
- Mianjera ilay andrin-jiro eo akaikinay

Hanokafana "dossier":
- Angatahana ny anaran'ny mpanao fitarainana sy ny laharan-tarobiany
- Angatahana ny "repère précis"
- Lazalazaina ny momba ny fitarainana (antony mazava raha misy, ...)
- Rehefa vita ny fampidirana ireo ao anaty MATSELAKA dia omena ny mpanjifa ny laharana dossier
- Raha sanatria ka tsy mivaly ao anatin'ny 48 ora ny fitarainana dia asaina miantso ny laharana maitso ny mpanjifa ary manonona ny laharan'ny dossier

N.B: En cas d'urgence (trano nirodana na may, rano vaky, ...) dia tonga dia mampandre avy hatrany ny Service Technique ny Chargé de clientèle

Fitarainana manokana:
- Simba ny entanay fa niakatra tampoka ny tanjaky ny herinaratra tao aminay
- Tsy mandeha ny Eclairage Public (tsy misy ampoule na maty mihintsy)

Asaina manao taratasy mazava ary alefa any amin'ny tomponandraikitra

Demande de branchement ELECTRICITE / EAU

Nouvelle installation

- Demande à adresser au Chef d'Agence (visée par le Fokontany)
- CIN (demandeur et conjoint si possible)
- Certificat de résidence (demandeur et conjoint si possible)
- Plan de repérage
- Facture proche

N.B: Permis de construire et/ou autorisation de branchement au niveau Commune (obligatoire lors paiement du devis)

Branchement supplémentaire

- Demande à adresser au Chef d'Agence (visée par le Fokontany)
- CIN (demandeur et conjoint si possible)
- Certificat de résidence (demandeur et conjoint si possible)
- Plan de repérage
- Facture compteur existant

N.B: Certificat de propriété et/ou autorisation du propriétaire au niveau Fokontany (obligatoire lors paiement du devis)

Demande de planning de métré et travaux?

Consultation du programme déjà donné par le Service Technique pour réponse au client ou Appel par le Chargé de clientèle au service technique pour la date du métré.
Nous sommes ici pour vous assister ! Contactez-nous