JIRAMA: MANATSARA NY FIFANDRAISANA AMIN’NY MPANJIFA, NY FANAVAOZANA SY NY FANATSARÀNA FOTODRAFITRASA IOMBONANA

Mihaino ny mpanjifa dia miroso avy hatrany  amin’ny asa fanavaozana sy fanatsaràna ary fanitarana fantsona ny orinasantsika #JIRAMA toy izay notanterahina teny Ankorondrano Andrefana

Paompin-drano miisa telo sy toeram-panasan-damba miisa roa no nohatsaraina ka fantsona maherin’ny 800m no nosoloina. Nijery ny vokatry ny asa teny an-toerana, ny sabotsy lasa teo ny Minisitry ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana Rakotondrazaka Ladislas Adrien, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Ramaroson Andry, izay Minisitra mpiahy ny orinasantsika  #JIRAMA

Tokantrano 2000 tafo eny Ankorondrano Andrefana sy ireo fokontany telo manodidina no misitraka ity tetikasa ity, izay efa fanaon’ny #JIRAMA isan-taona ka tamin’ity taona ity dia fokontany miisa fito no efa nisitraka izany toy ny eny Amboatavo ambavahaditokana sy Ankadikely Ilafy.

Mbola maro ihany koa ireo tetikasa hotanterahina eto andrenivohitra amin’ity taona ity toy ny:

📌Biraom-pokontany eny Mahazo

📌Toeram-pilalaovana baolina kitra eny Ankadikely

📌Fokontany Ambohijanahary

📌Kaominina Anosizato Andrefana

📌Biraom-pokontany Amboatavo

📌Paompin-drano, toeram-panasan-damba, toeram-pidiovana sy fivoahana izay hiara-manatanteraka amin’ny tetikasa WASUP