CP Cobras Andohanimandroseza

*****
FAMPITAM-BAOVAO
*****

MEH – JIRAMA : ATOMBOKA ENY ANDOHANIMANDROSEZA NY TETIK’ASA « HAZAVAO NY ELAKELAN-TRANO »

Antananarivo faha 23 febroary 2023,

Miroso amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa « Hazavao ny elakelan-trano » ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo izay iarahany manatanteraka amin’ny orinasa JIRAMA. Tetik’asa izay tafiditra indrindra ao anatin’ny Velirano faha-2 an’ny Filoham-pirenana Andry Rajoelina dia ny hanomezana: « Herinaratra ho an’ny rehetra ».

Ny Fokontany Andohanimandroseza no misitraka « Hazavana an’elakelan-trano » amin’ity androany ity, amin’ny alalan’ny fametrahana jiro COBRAS. Nanolotra izany ny manam-pahefana sy ny fokonolona teny an-toerana, omaly alina ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo Solo Andriamanampisoa sy ireo mpiara-miasa aminy, notronin’ny solombavambahoakan’ny boriboritany faharoa Lanto Rakotomanga, ireo mpikambana sasantsasany eo anivon’ny Filan-kevim-pitantanan’ny orinasa JIRAMA, ireo Tale Jeneraly mpisolo toerana roa sy ireo Tale isan-tsokajiny.

Tanjon’ny tetik’asa ny hanatsara ny endriky ny tanàna fa indrindra hanamafy ny ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. Raha ny tatitry ny sefo Fokontany Ambaniavaratra Andohanimandroseza, Randriamandimby Nirina dia saika aharaisana fitarainana mahakasika ny tsy fandriampahalemana ny Fokontany iadidiany isan-kerinandro. Misy ny tranga fanendahana, vaky trano, hala-botry. « Hampihena ny tranga tsy fandriampahalemana ny fisian’ny hazavana ety amin’ny fokontany », hoy ny fanazavany.

Tsy hijanona eto Andohanimandroseza fa hitohy eny Mandroseza sy Ankatso ny tetik’asa raha ny nambaran’ny solombavambahoakan’ny boriboritany faharoa, Lanto Rakotomanga. Ity farany izay nisaotra manokana ny orinasa JIRAMA amin’ny hafainganan’ny famahana ny olan’ny mponina ao aminy.

Hitohy amin’ny Fokotany hafa sy hihitatra manerana ireo elakelantrano amin’ny renivohi-paritany enina ny tetik’asa, izay hiarahana miasa amin’ny Kaomina sy ny Distrika. Manodidina ny 50 metatra ny elanelan’ny hazavana ho apetraka ka 500 km no kendrena amin’ity taona ity, izany hoe takamoa miisa 10 000 no ho apetraka, araka ny fanazavan’ny Ministra Solo Andriamanampisoa:

« Rehefa misy poteau dia arehitra. Raha tsy misy poteau kosa dia atao amin’ny trano izany ka izay tompon-trano manaiky ny hametahana hazavana dia hisitraka fihenana 20 000 Ariary amin’ny faktioran’ny JIRAMA isam-bolana », hoy ny fanazavany.

Ankoatra ny fanazavana ny elakelan-trano, hotanterahina manomboka ny volana Aprily zao ihany koa ny tetik’asa « Branchements Mora » ka 500 isan’andro ko kendrena hovitaina araka ny fanamby napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tanjona ny hamitana 100 000 « Branchements Mora » amin’ity taona ity ka 30 000 Ariary ny saran’ny fisitrahana izany indrindra ho an’ireo tokantrano marefo, misoratra Fokontany ara-dalàna.

Ho an’ny eny ambanivohitra kosa dia hisy ny fanatanterahana tetik’asa « kits solaires » ka miisa 1 000 000 no hotsinjaraina manerana ny Nosy amin’ity taona ity.

—————————————————————————————————————————-
COMMUNIQUE DE PRESSE
*****

MEH – JIRAMA : LANCEMENT DU PROJET « HAZAVAO NY ELAKELAN-TRANO » A ANDOHANIMANDROSEZA

Antananarivo le 23 févier 2023,

Le ministère de l’Energie et des Hydrocarbures, en collaboration avec la JIRAMA avance dans la mise en œuvre du projet « Hazavao ny elakelan-trano ». Ceci figure dans le Velirano n°2 du Président Andry Rajoelina qui consiste à donner à tous l’accès à l’électricité.

Le Fokontany d’Andohanimandroseza a été doté d’éclairages publics COBRAS.  La réception technique par les autorités locales s’est tenue dans la soirée du 23 février, sous la houlette du Ministre de l’Energie et des Hydrocarbures Solo Andriamanampisoa et ses collaborateurs, la Parlementaire élue dans le deuxième arrondissement Lanto Rakotomanga, quelques représentants du Conseil d’Administration de la JIRAMA, les deux CEO par intérim et les Directeurs.

Le projet vise à embellir les villes mais surtout à renforcer la lutte contre l’insécurité. Le Chef Fokontany d’Ambaniavaratra Andohanimandroseza, Randriamandimby Nirina révèle avoir reçu des plaintes pour vols et cambriolages, chaque semaine. « L’installation des éclairages dans nos quartiers va réduire les cas d’insécurité », soutient le Chef Fokontany. 

« Hazavao ny elakelan-trano » ne se limitera pas à Andohanimandroseza. Les prochains bénéficiaires seront Les quartiers de Mandroseza et d’Ankatso selon la députée Lanto Rakotomanga. Elle n’a pas manqué de remercier la JIRAMA pour sa réactivité dans l’intervention auprès de sa population.

Le projet se poursuivra ainsi dans d’autres localités et les ex-six provinces, en collaboration avec les Communes et les Districts. Les éclairages seront installés à une distance de 50m et l’objectif est d’en réaliser 500 km cette année, soit 10 000 lampes, d’après le Ministre Solo Andriamanampisoa:

 » Quand il y a un poteau, on l’allume. S’il n’y en a pas, on installe la lampe dans une propriété privée. Dans ce cas, les propriétaires qui acceptent bénéficieront d’une réduction de 20 000Ariary sur leur facture JIRAMA chaque mois », a-t-il annoncé.

Outre les éclairages publics, le Branchement Mora sera effectif à partir de ce mois d’Avril. Cinq cent Branchements par jour seront réalisés suivant le défi lancé par le Président de la république Andry Rajoelina. L’objectif est de réaliser 100 000 « Branchements Mora » cette année dont le devis à payer est de 30 000 Ariary, notamment pour les ménages vulnérables qui sont légalement enregistrés dans les Fokontany.

Pour les zones rurales, le projet « kits solaires » sera mis en œuvre dont la distribution de 1 000 000 kits sur tout le territoire cette année.  

Laisser un commentaire

Your email address will not be published.