Ireto avy ireo Tarifs misy

Tarifs 14

Mety ho anao ny tarifa 14 raha fenonao ireto :

  • Ny hery famandrihana ataonao dia latsaky ny 3 kW;
  • Ny fandanianao isam-bolana dia latsaky ny 76 kWh;
  • Tsy miasa afa-tsy ao an-tokatranonao ny jiro.

IZANY HOE NY FANDANIANA ATAONAO DIA TSY MAMPIASA FITAOVANA MAVESATRA ARY AMPIASANA AO AN-TOKATRANO IHANY.

Fitsinjovana manokana ireo tokatrano tsy mampiasa afa-tsy jiro fandrehitra ity tarifa ity

Tarifs 18

Manaova fangatahana hiova ho tarifa 18 raha :

  • Ny hery famandrihana ataonao dia latsaky ny 5 kW;
  • Ny fandanianao isam-bolana dia matetika mihoatran’ny 76 kWh ary
  • latsaky ny 142 kWh.
  • Filàna ao an-tokatrano ihany no ampiasanao ny jiro.

Tarifs 16

Aleo manao tarifa 16 raha toy izao ny fakitioranao :

  • Ny fandanianao isam-bolana dia matetika mihoatry ny 142 kWh;
  • Filàna ao an-tokatrano ihany no ampiasanao ny jiro.

Raha ampiasana amin’ny asa fivelomanao ny jiro

dia ireto no azonao hisafidianana:

Ny Tarifa 15

  • Fenonao ny fepetra roa voalohany voalaza etsy amin’ny tarifa 14 ;
  • Fa miasa amin’ny asa ataonao hahazoam-bola ny jiro (varotra,  asa tànana…)

Ny Tarifa 22

  • Ny famandrihana ataonao dia latsaky ny 5 kW;

Ny Tarifa 30

  • Ny famandrihana ataonao dia mihoatry ny 5 kW;